Lire plus
Hiteny izao ianao hoe: Nilaozanao teto dia tsy hahita fifalina! Nefa ianao teo mihitsy no tena fijaliana Sy vesatra tsy zaka namotika ny fiainako, Fa iny ianao nidify dia tonga ilay marainako. Hiteny izao ianao hoe: Tsy misy anao ny eto dia ho dify ilay masoandro! Nefa ianao indrindra no nanakana ilay andro Mba tsy hisy fifaliana sy ho vonton-tsento lava. Vao niala anefa ianao dia nipoitra ilay mazava. Hiteny izao ianao hoe: Nilaozanao ny foko dia ho vonton-dranomaso! Nefa ianao indrindra ilay poizina sy ankaso Namono ny tontoloko, nanjary ho disadisa ka rehefa lasa ianao dia tsiky no indro hita Myh'Andry 21 Des 2022
Love
2
0 Commentaires 0 Parts 2475 Vue